Vidin-tsolika : naharitra 3 andro ny fifampidinihina

0

3 andro katroka androany ny fifampidinihina teo amin’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy RAJOELINA Andry sy ireo mpandraharaha solika eto amintsika. Dinika izay nanehoan’ny mpitondra Malagasy fa azo hatao tsara ny mampihena ny vidin’ny solika eto Madagasikara sy ireo mpandraharaha miaro ny tombotsoany amin’ny maha-mpandraharaha azy ireo. Mbola mitohy ny dinika amin’izao ora hanolorana anao ny vaovao izao.