Villa Elisabeth : nandray anjara tamin’ny famarotana i REBOZA Julien, hoy ny BIANCO

0

Olona 4 nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena no nambaran’ny teo anivon’ny Bianco ho isan’ny tomponantoka tamin’ny famarotana ny  » Villa Elisabeth », taorian’ny fanadihadiana natao’izy ireo. Isan’izany ny praiminisitra lefitra teo aloha, REBOZA Julien, sy ny tale jeneralin’ny fananantany ny taona 2014. Nalefa eny amin’ny HCJ na ny Haute Cour de Justice ankehitriny ity raharaha ity.