Vola taloha : mbola manan-kery hatramin’ny 31 desambra 2019

0

Miteraka fahasahiranana ho an’ny daholo be ny fampiasana ireo vola teo aloha  taorian’ny filazana navoakan’ny Banky Foiben’I Madagasikara fa hatsahatra tsy azo ampiasaina intsony aorian’ny faha-31 desambra 2019 ho avy izao ireo vola teo aloha, manomboka amin’ny 100 Ariary ka hatramin’ny iray alina Ariary, izay natonta tamin’ny taona 2003. Misy amin’ireo mpivarotra no tsy mety mandray azy ireny intsony. Misy mpanjifa ihany koa toy izany.