Vondrona Afrikana : nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany ny fihaonam-be faha-33

0

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany ny fihaonam-be faha-33 n’ireo mpitondra fanjakana sy lehibe mpikambana amin’ny governemanta samihafa, mikambana ao amin’ny vondrona Afrikana, tontosaina any Addis Abeba ; izay natrehan’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy. Nandritry ny fitsidihana tany Ethiopie, nihaona tamin’ny praiminisitra Kanadiana ihany koa ny Filoha, ary naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny lafiny maro i Canada nandritra izay. Isan’izany ny fisitrahana herinaratra, fampiroboroboan’ny fandraharahana sy ny maro hafa.