mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 1 juin 2020

Toamasina : « Tuctuc » miisa 19 no naiditra fourrière

0
Fitaterana ao antampon-tanànan'ny Toamasina Renivohitra Tuctuc miisa 19 no naiditra fourrière, raha ny tatitra avy any an-toerana. Ny tsy fanajana ny fepetra napetraka no anton’io raha ny fanazavana.

Toamasina : tonga any an-toerana ireo miaramila 250 hanampy ny ady ny Covid-19

0
Miaramila 250 indray no  nigadona any Toamasina io maraina io miaraka amin'ireo fiara tsy mataho-dalana, hanampy amin'ny fiadiana amin'ny valan'aretina coronavirus ary hanampy ihany koa amin’ny fampandriana fahalemana.  Ny 50 amin'ireo no miaramila mpitsabo. Maharitra 15 andro faharetan'ny iraka nampanaovina ireto andia-miaramila ireto ao Toamasina.

Fifohana sigara : olona 7 tapitrisa isan-taona no maty

0
Olona 7 tapitrisa isan -taona no maty manerantany vokatry ny fifohana sigara. Raha ny eto Madagasikara, mihabetsaka ireo tanora mifoka sigara. 31 Mai : andro manerantany tsy hifohana sigara sy tsy hihinana paraky na ny journée mondiale sans tabac. Ho amin'ity taona ity, ny fiarovana ny tanora amin'ny paikadin'ny indostria mpamokatra sigara. Izay no lohahevitra entina manamarika izany.

Fanamarihana ny Pentekoty : hentitra ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana

0
Tsy toy ny isan-taona ny fanamarihana ny andron’ny Pentekoty androany. Ankoatran’ny toriteny manokana noraisin’ny Fiangonana hankalazana ny filatsahan’ny fanahy masina tamin’ireo Apostoly. Niavaka ny fandaminana amin’ny ankapobeny ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid-19. Narahana ohatra ny fandraisana hafanana teo am-pidirana, toy izay ihany koa ny fanasana tanana tamin’ny « Gel  Désinfectant » ary voatazona ambonin’izay ny isan’ny mpiangona izay noferana manodidina ny 50.