Archives quotidiennes: 5 août 2020

Sosialim-bahoaka : hahazo fanampiana avokoa ireo izay tokony hisitraka izany

0
Manoloana ireo Korontana eny anivon’ny Fiarahamonina, omaly sy androany, nitondra fanazavana mahakasika ny Sosialim-bahoaka ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Hisitraka fanampiana avokoa ny tokantrano 2 hetsy ankoat’ireo efa nisitraka ny Tosika Fameno, saingy tsy ho vita ao anatin’ny andro 1 na 2 ny fizarana izany. 

Areti-maso : ireo ankizy sy tanora no maro tao anatin’izao fihibohana izao

0
Tao anatin’ny fihibohana, nitombo ny isan’ireo olona nanao fizahana maso eny amin’ny « Ophtalmologie »  na ireo dokotera mpitsabo maso raha ny fanazavan’ireo mpitsabo nanaovana fanadihadiana androany. Ny ankizy sy ny tanora no  maro amin’ireo manao fitiliana raha ny fanazavany hatrany. 

Lalana Ambohitrimanjaka : nanomboka androany ny fanamboarana

0
Nanomboka androany ny fanamboarana ny lalana eo amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka, eo anoloan’ny  tsena « Art Malagasy ». Mandritry izao fihibohana izao ny hanatontosaina ny asa raha ny fanazavana. Tanjona ny hanatsarana ny lalana mba ahafahan’ireo mpivarotra misintona mpanjifa maro.

Sosialim-bahoaka : maro ny fitarainana voaray

0
Ankoatry ny teny Bemasoandro Itaosy, toerana maro teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina no nandrenesana fitarainana manoloana ny fitsinjarana ny Sosiallim-bahoaka avy amin’ny fitondram-panjakana. Isan’ny nahitana fihetsiketsehana ny maraina teo ny teny amin’ny Fokontany Marobiby Kaominina Fiombonana. 

RAJOELINA Andry : mahazo fanampiana avokoa ny isan-tokantrano

0
Nihaona tamin’ireo vahoaka tsy nisitraka ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ny maraina teo teny Bemasoandry Itaosy ny filohampirenena mivady. Fotoana izay nilazany fa tsy maintsy mahazo fanampiana avokoa ny isan-tokantrano eto Antananarivo, ary androany no fanombohana ho an’ny distrikan’Atsimondrano.

Fampianarana : maro ireo sekoly efa nandray fanapahan-kevitra manokana

0
Sasa-miandry ny fanapahan-kevitra horaisin’ny fitondram-panjakana ho an’ireo kilasy anelanelany ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’izao fotoana izao manoloana ny fahatapahan’ny fampianarana efa naharitra volana maromaro.  Ankilany nanapa-kevitra ny hamarana ny taom-pianarana 2019 sy 2020 amin’ny faha 14 Aogositra izao ny eo anivon’ny sekoly katolika eto Madagasikara araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny DINEC.