Archives quotidiennes: 7 août 2020

Kaominina Soavina : nitrangana fanafihana in-telo tao anatin’ny 48 ora

0
Mandry tsy lavo loha ny mponina ao amin’ny kaominina Soavina, distrikan’Atsimondrano vokatry ny tsy fandriam-pahalemana. In-telo nisy nanafika ny tanàna tao anatin’ny 2 andro. Ankoatry ny fangalarana, niharan’ny herisetra ihany koa ireo tao an-tokantrano.

Anjanahary : andrasana ny fefy manasaraka ny fasana amin’ny Fokontany Soavinandriana

0
11 ny matin’ny Covid-19 milevina eny amin’ny Fasam-bahiny Anjanahary hatreto. Raha anaty Fosse Provisoire ny 9, anaty Caveau Familial ny 2 ambiny. Hiitatra manakaiky ny Fokontany Soavinandriana anatin’ny boriboritany faha-3 ny fandevenana ny matin’ny Covid-19 arakaraka ny fivoaran’ny tarehimarika raha ny fanadihadiana natao. Manahy ny  mety ho fiparitahan’ny valan’aretina manoloana io ny mponina ary miantso ny fandraisana fepetra haingana momba izany.

Anjanahary : ny tompo-manjo no mikarakara ny fandaminana amin’ny fandevenana

0
11 miarahalahy no miantoka ny fiambenana sy ny fibatana ny razana eny anivon’ny Fasam-bahiny Anjanahary. Raha mafy ny asa ho azy ireo hatramin’ny nisian’ny Covid-19, tsy araka ny tokony ho izy ny fitaovana am-pelatanana. Ny tompomanjo ihany arak’izany no mikarakara ny fandevenana eny Anjanahary araka ny lamina napetraka.

Andry RAJOELINA : nitondra fanampiana sy fitaovana ho an’ny faritra Matsiatra Ambony

0
Tao amin'ny Gymnase Ambatomena no nanomboka ny fizarana ny Vatsy tsinjo sy ny Tosika Fameno andiany faharoa ho an'ny Kaominina ambonivohitr'i Fianarantsoa. Novatsiana fitaovana sy fanafody ihany koa ireo CSB sy Hopitaly hahafahana manohy ny ady atao amin’ny COVID 19.  

SOS Taxi : maimaim-poana ny fandehanana aminy amin’ny ora voafaritra

0
Ho fanampiana  ireo olona marefo sy sahirana amin’ny fanatonana mpitsabo amin’izao valan’aretina Covid-19 izao, napetraka nanomboka omaly ny SOS Taxi. Maimaim-poana ny fitaterana ireo marary  manomboka amin’ny 8 ora alina hatramin’ny 12 ora alina.  Tsy maintsy atao kosa ny fandrarahana fanafody aorian’ny fitondrana marary. Fikambanana tsy miankina iray no nanao izany fanampiana izany.  

Sosialim-bahoaka : natsahatra ao anatin’ny 5 andro manaraka

0
Taorian’ny korontana sy savorovoro nisy teto Antananarivo, natsahatra ao anatin’ny 05 andro manaraka ny fizarana ny Sosialim-bahoaka hahafahana mametraka ny fandaminana vaovao noraisina teo anivon’ny filan-kevitry ny minisitra. Havaozina ary hampidirina ao anaty « Base de donnée » ny anaran’ireo izay tokony hisitraka izany ary tsy hisy intsony ny filaharana eny anivon’ny fokontany. 

Toamasina : nizotra am-pilaminana ny fizarana ny Tosika Fameno

0
Mponina ao Toamasina miisa 2 arivo sy efatra alina no nisitraka ny  fanindroany ny Tosika fameno tamin’ity androany ity. Ireo izay tena marefo no nahazo izany araka ny fandaminana avy eo anivon’ny FID sy ny kaomity loharano isam-pokontany