Accueil 2020 septembre

Archives mensuelles: septembre 2020

Centre Sainte Marie : mandray ireo zaza tandindomin-doza

0
Maro ireo zaza tandindomin-doza eto amintsika ka tokony ho jerena akaiky hoy i RAHANTAMALALA Irène, izay mpanorina ny ivon-toerana Sainte Marie eny Tsimialonjafy Mahamasina. Izy ireo izay nandray an-tanana ireo zaza tandindomin-doza eto Andrenivohitra nanomboka ny taona 1988 ary mamerina izany amin’ny Ray aman-dReniny rehefa salama sy tomady tsara ny zaza, ary afaka manohy ny fitaizana ireo ray sy reny niteraka azy.

Faritra iva : mitombo isa ireo mpivarotra hani-masaka

0
Taorian’ny fihibohana, mitombo isa ireo mpivarotra hani-masaka eny anivon’ny fiarahamonina eto Antananarivo renivohitra. 15 000 Ariary hatramin’ny 20 000 Ariary no vola ampiasaina hitadiavana tombony hahafahana manampy ny ao an-tokantrano. 50 hatramin’ny 100 Ariary kosa dia efa mihinana.

Pousse pousse

0
Asa fitondrana Posy Bicyclette : mahavelona hoy ireo mpanamoryKely dia kely ny karama azo amin’ny fitondrana posy bicyclette ao Toamasina fa afaka iainana soa aman-tsara izany ary mahavelona ankohonana maro raha ny nambaran’ireo mpila ravinahitra ao Andrenivohitry Betsimisaraka. Ny mahakasika an’i RAZAFIMAHALIA izay mpila ravinahitra ao Toamasina indray no entina aminao ao anatin’ity fanadihadiana manaraka ity.

Tarika Rheg : feno 20 taona, vonona hampivoatra ny kadona rock

0
Na eo aza ny valan’aretina Coronavirus, miverina tsikelikely ny fety aman-danonana eto Antananarivo. Androany nankalaza ny faha-20 taona nilomanosana tao anatin’ny gadona « rock » ny  tarika Rheg tetsy Anosy. Araho anatin’ity fanadihadiana ity ny akon’izay fankalazana izay.

Pepino : 2 000 hatramin’ny 3000 Ariary ny iray toko eny an-tsena

0
Pepino : 2 000 hatramin’ny 3000 Ariary ny iray toko eny an-tsena Isan’ny voankazo tsy dia fahita sy tsy dia fantatry ny maro loatra ny « pepino » na ny « poire melon » eny amin’ny tontolon’ny tsena. Efa fotoana fahavokarany amin’izao vanimpotoana izao ka efa maro izy eny an-tsena. 

CNEMD : notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Notanterahina androany ny fitokanana ny trano fianarana ho an’ny mpianatra mozika sy dihy ao amin’ny CNEMD etsy Anosy  ary ny fanolorana mari-pahaizana ho an’ireo mpampianatra izay notronin’i Ramatoa Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera.

Tetikasa Mihary : nivoaka androany ireo mpianatra miofana

0
Nivoaka androany tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny CNFPPSH Ampandrianomby ireo mpianatra manana fahasembanana niofana ary nisitraka ny tetikasa MIHARY novatsian’ny CBM vola. Manodidina ny 300 ireo nisitraka izany ary mbola hitohy manomboka ny taona 2021 hatramin’ny taona 2023 ny fanavaozana izay tetikasa izay.

Fivondronan’ny antoko politika sy olom-boafidy : tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona

0
Voahosihosy ny demokrasia eto Madagasikara araka ny nambaran’ny fivondronan’ny antoko politika sy olom-boafidy nivory teny Andrainarivo androany ka tsy handray anjara amin’ny fifidianana ho loholona izy ireo. Sao tsy fahatokisana intsony ny tanjaka no antony tsy handraisana anjara hoy ny mpanara-baovao ?

Minisitry ny atitany : ara-dalàna ny fanatanterahana ny fifidianana Loholona

0
Fanakianana be fahatany no ataon’ireo antoko politika sasany momba ny fanatanterahana ny fifidianana loholona hoy ny minisitry ny atitany. Tsy misy amboletra fa araka ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena no hirosoana amin’izay fifidianana izay raha ny fanazavana.

Barean’i Madagasikara : foana ny fihaonany amin’ny ekipan’i Burkina faso

0
Tsy hisy ny fihaonana ara-piralahina ho an’I Barean’I Madagasikara sy ny ekipan’I Burkina faso vokatry ny  fisihan’ny valan’aretina Covid-19. Vokany, hanatanteraka fiofanana sy fanazaran-tena any Luxembourg ny ekipam-pirenena Malagasy, ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny dingana manaraka amin’ny fiadiana ny tompon-dakan’I Afrika 2021.