Archives quotidiennes: 5 octobre 2020
“ Pois Mange-tout” : manondrana izany betsaka I Madagasikara
Maro ireo tantsaha ao amin’ny Kaominina Ambano distrikan’Antsirabe faharoa no mamokatra legioma “ Pois Mange-tout”. Ary Tantsaha manodidina ny 100 mahery no miara miasa amina orinasa izay mandray ny vokatra any an-toerana ka manondrana izany any ivelany.
Aorian’ny fahamehana ara-pahasalamana : misy ireo misafidy ny hiala sasatra
Fiverenana amin’ny fiainana andavan’andro sy ny fandehanana miala sasatra, ireo no mahaliana ny maro ho atao rehefa tapitra ny fahamehana ara-pahasalamana, araka ny fanadihadiana notontosain’ny Agence capsule sy ny Kolotv. Amin’izao fotoana izao, manomboka mitombo tsikelikely ireo mpiala-sasatra mandeha amin’ny zotra nasionaly.
Sambava : tsy manaiky afindra ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’i Ambodisatrana
Nidina an-dalambe ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’Ambodisatrana ho fanoherana ny fanapakevitra izay noraisain’ny ben’ny tanàna amin’ny famindrana azy ireo. Nanamafy kosa ny ben’ny tananan’ny Kaominina ambanivohitra Sambava fa tsy maintsy ampiharina ny lalàna.