Archives quotidiennes: 23 octobre 2020

Solombavambahoaka : miandrandra 4×4 avy amin’ny fitondram-panjakana

0
Efa nanome toky ny amin’ny firesahana ny teti-bola natokana ho an’ny fiara ireo Solombavambahoaka ny fitondram-panjakana raha ny nambaran’ny filohan’ny vaomiera misahana ny toekarena sy ny fitantanambola eny anivon’ity andrim-panjakana ity androany izay hodinihina ao anatin’ity fivoriana ara-potoana ity. Tsy nandà izany ankilany ireo Solombavambahoaka avy amin’ny antoko TIM raha nanontanian’ny mpanao gazety. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Barea de Madagascar : nivoaka ny anaran’ireo mpilalao 25

0
Nivoaka androany ireo mpilalao voahantson’ny mpanazatra Nicolas Dupuis handrafitra ny Barea an’i Madagasikara mandritra ny lalao ihaonana amin’ny ekipan’i Cote d’Ivoire. Misy ireo mpilalao vavao izay sambany nantsoina handrafitra ny Barea ao anatin’ireo mpilalao.

Antrema – Ambanja : mitrandraka « concombres de mer » tsy ara-dalàna ireo Sinoa

0
Velon-taraina ireo mponina ao amin’ny faritra ny Antrema sy Andrekareka ny Distrikan’Ambanja amin’ny fisihan’ireo sinoa mitrandraka dingandingana na « cocombre de mer » tsy ara-dalana. Tsy mbola nahazo alalana hanao izany izy ireo saingy manao amboletra manohy ny asa ataony hoy ireo mponina ao an-toerana. Samy tsy mahafantatra sy anto-mpisian’izy ireo, na ny Kaominina, na ny fokontany ao an-toerana.

Orinasa Jirama : miroso amin’ny fanarenana anatin’ny « Jirama Innove »

0
Miroso amin’ny fanarenana ny orinasa Jirama ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ao anatin’ny tetikasa « jirama innove ». Teboka maro no hotanterahana amin’izany hamaliana ny filan’ny mpanjifa sy ahafahan’ity orinasa ity mamelon-tena ary hanatratra ny « Equilibre opérationnel » alohan'ny taona 2021.

Mpanjono madinika : tsy ampy fitaovana

0
Tsy ampy ny fitaovana ampiasain’ny mpanjono madinika ao Morondava entina mampiroborobo sy mampivadika ho matihanina ny asan’izy ireo. Ho an’ny tananan’Avaradrova, miisa 50 ireo mpanjono madinika miezaka mampiodina izay sehatra izay.

Ambatondrazaka : vita ny asa fanamboarana ny EPP manara-penitra

0
Ankizy malagasy miisa 600 no hisitraka fampianarana ao Ambatondrazaka vokatry ny fahavitan'ny EPP manara-penitra. Isan'ny mampiakatra ny fari-pahaizan'ireo mpianatra ny fahafahana mahazo fanabeazana anaty sekoly aro-fitaovana toy izao, raha ny nambaran'ireo mpampiantra any an-toerana.

Fampiroboroboana ny fizahantany anatiny : hatomboka eto Analamanga Miverina ny famerenana tsikelikely ny fampiroboroboana ny fizahantany.

0
Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanjakana ny fanombohana izany amin’ny alalan’ny fizahantany anatiny eto amin’ny faritra Analamanga . Ny Vohitra masin’Imerina no toerana no safidiana amin’izany.