Archives quotidiennes: 4 novembre 2020

Famatsiam-bola : 9.19 % ny vola voaray no nentina niady amin’ny Covid-19

0
Nivoaka ny tatitra vonjimaika fahatelo ny famatsiam-bolan’I Madagasikara entina miady amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19. Amin’ny ankapobeny, avy amin’ny FMI ny ampahany betsaka amin’izany raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny toekarena sy ny vola omaly.

Fiatrehana ny fahavaratra – Antananarivo : miomana ny mpiantsehatra maro

0
Nanomboka androany ny atrikasa hampihenana ny fiantraikan’ny loza voajanahary eto Antananarivo renivohitra izay iarahan’ny Croix Rouge Malagasy, ny BNGRC, ary ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo. Olona maherin’ny 25 000 no hisitraka tombotsoa amin’ny asa hotanterahana hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa.

Itaosy Ambanilalana : manomboka mivaha ny olan’ny rano fisotro madio

0
Manomboka mivaha ny olan’ny rano fisotro madio eny Itaosy Ambanilalana amin’izao fotoana. Antony, efa nisoro tamin’ny fanoloana ireo fantson-drano efa antitra ny eo anivon’ny JIRAMA ary nanolo ireo fitaovana famandrihana.  Hapetraka eto Antananarivo renivohitra ihany koa ny tetikasa hahazoana herinaratra hatrany amin’ny 11 Megawatt amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina.

Rovan’i Manjakamiadana : hotokanana amin’ny fomba ofisialy ny zoma izao

0
Ny zoma izao no hotokanana amin’ny fomba ofisialy ny Lapan’i Manjakamiadana sy lapan’ i Besakana taorian’ny fanavaozana sy ny fanatsarana izay natao. Ankoatra io, haverin’ny la Frantsa ho an’i Madagasikara ihany koa ny satroboninahitry ny mpanjakana RANAVALONA Fahatelo ary ho tonga eto Madagasikara izany ny Alakamisy ho avy izao.

Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana : hamafisina ny fepetra raisina

0
Manoloana ny famaroan’ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fitondrana moto, nambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena androany fa hisy ny famolavolana volavolan-dalàna mikasika ny fampanarahan-dalàna ny moto. Ho dinihana raha toa ka tsy maintsy manana permis na fahazahoan-dalana mitondra vao afaka mitondra izany.

TETIKASA FANDROSO : nahazo fanampiana 20 tapitrisa sy 5 hetsy Euros i Madagasikara

0
Nahazo fanohanana ara-bola manodidina ny 20 Tapitrisa sy 5 Hetsy Euros avy amin’ny Vondrona Eropeana hanohanana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana i Madagasikara. Araka ny fanazavana azo nandritra ny fampahafantarana ara-pomba ofisialy ny fanombohan’ity tetikasa FANDROSO ity, tsy latsaky ny 4 arivo ny tetikasana tantsaha ezahana hisitraka ny fanohanana.