Archives quotidiennes: 10 novembre 2020

“Anciens Combattants”: zava-dehibe ny fampahafantarana ny tantaran’izy ireo

0
Maherin’ny 90 000 ireo tanora Malagasy nalefa niady niaraka tamin’ny frantsay nandritra ny ady lehibe voalohany sy faharoa. Araka izany, zava-dehibe ny fanomezam-boninahitra azy ireo ato anatin’ny fankalazana ny daty nampitsaharana ny ady lehibe voalohany ny 11 novambra 1918, ho fampahalalana sy ho fanabeazana ireo ankizy sy tanora ankehitriny.  

FCE : efa tonga ao Fianarantsoa ny loamasinina vaovao

0
Ny sabotsy lasa teo no nigadona ao Fianarantsoa ny iray tamin’ireo lohamasinina 3 nafarana ho fanarenana indray ny fitaterana an-dalam-by Fianarantsoa-Manakara. Ny zotra an-dalam-by Fianarantsoa – Manakara izay kitro ifaharan’ny toekarena amin’ireo faritra lalovany ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony sy Fatovavy Fitovinany.

Ankatso I : nitokona manoloana ny tsy fisian-drano ny mpianatra

0
Nitokona manoloana ny tsy fisian-drano eny an-toerana ny mpianatra eny Ankatso I androany. Zara raha misy adin’ny 2 ora isan’andro no misy ny rano azo ampiasaina araka ny fitarainana androany.  Tsy hita ny fandraisan’andraikitry indrindra ny teo anivon’ny CROUA nandritra ny volana maro ka anton’ny hetsika androany.

MATP : mitohy ny fanamboaran-dalana

0
Fanamboaran-dalana maro no tontosaina amin’izao fotoana izao, ary ho vitaina mialohan’ny fotoana hirotsahan’ny orana. Isan’izany ny fanamboarana tontosaina eny Imerimandroso mankany Manjaka Avaradrano.

Marais Masay : nolavahana lalina kokoa

0
Nohalalinina be be kokoa ny Bassin Marais Masay, entina hisorohana ny mety ho fiakaran’ny rano rehefa fotoam-pahavaratra.  Androany nisy ny fidinana ifotony sy ny fanolorana izany, notontosain’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Ben’ny tanàna, governoran’Analamanga ary ireo mpiara-miombon’antoka. Raha ny fanazavana, mbola misy ny fotodrafitrasa atao hisorohana ny fiakaran’ny rano izay.

Mpitsabo : mahavoasazy ny fanaovana dokambarotra an-kolaka

0
Mirongatra ny fanaovana dokambarotra an-kolaka ataon’ny mpitsabo amin’ny alalan’ny tambazaotran-tserasera . Mifanohitra amin’ny Code de déontologie mifehy ny asa maha mpitsabo izany  raha ny nambaran’ny filohan holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara ary maha voasazy . Sazy izay mety hiafara amin’ny fanesorana ny fahafahana manao ny asa maha mpitsabo.

Atsimon’i Madagasikara : ankoatry ny kere, mamely ny « tempête de sable »

0
Mafy ny fisehon’ny kere tany amin’ny tapany atsimo tamin’ity taona ity. Distrika miisa 5 no tena mitondra faisana hatreto araka ny fanazavana azo. Nanampy trotraka ihany koa Tempête de sable mitranga any an-toerana, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny distrikan’Ambovombe Androy.