Archives quotidiennes: 3 décembre 2020

CENI : namoaka torolalana mandritra ny fifidianana ho Loholon’i Madagasikara

0
Namoaka torolalana ho an’ny fizotry ny fandatsaham-bato amin’ny fifidianana Loholon’i Madagasikara ny 11 Desambra ho avy izao ny eo anivon’ny CENI. Anton’izany ny hitazonana sy hanamafisana hatrany ny tsiambaratelon’ny latsabato hataon’ny mpifidy tsirairay avy araka ny voalazan’ny lalàna fehizoro, mikasika ny fitondrana ankapobeny ny Fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka.

Nosy Be : hametrahana ivon-toerana fanodinana fako

0
Isan’ny foto-drafitr’asa iray haorina any amin’ny faritr’i  Diana ny ivon-toerana fanodinana fako izay miparitaka manerana ny faritra. Tanjona ny famoronana asa ho an’ireo mponina any an-toerana sy ho fanadiovana ny tontolo iainana.  

Distrikan’Ampanihy : tafiakatra 10 ny zaza maty noho ny kere tato anatin’ny 2 volana

0
Tafiakatra 10 ny zaza maty noho ny kere tao anatin’ny distrikan’Ampanihy tao anatin’ny 2 volana. Atahorana hiakatra ny tarehimarika raha tsy misy ny fandrindrana ny fizarana ny fanampiana indrindra any amin’ireo toerana lavitra sy saro-dalàna. Isan’izany ny any ANKITIKITIKY, VORODRAHA sy ny maro hafa izay anaovan’ny solombavambahoaka antso avo amin’ny BNGRC.

Lavanila – Maroantsetra : potiky ny bibikely

0
Misedra olana ny sehatry lavanila any amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Ankoatry ny vidiny izay tsy misy hafatsy ny iray am-pafolony sisa, potiky ny bibikely ny voly lavanila any an-toerana ary ahiana ho ringana tanteraka. Manao antso avo arak’izany ireo mpamboly mba hisy tomponandraikitra hijery ny vahaolana hiarahan’ny rehetra misitraka.

Vontovorona : nahazo rariny tamin’ny fitsarana ireo mpiasan’ny faritany

0
Nahazo rariny tamin’ny fitsarana hatramin’ny farany ireo mpiasan’ny faritany teo aloha manana tany sy manana taratasy ara-dalàna ny amin’ny maha tompon’ny tany azy ireo eny Votovorona. Niala maina ireo izay olona nibodo ny tany nandritra ny fidinana ifotony nataon’izy ieo androany nanatanteraka ny re-bornage teny an-toerana.