Paik’ady fitsarana : niha-nihemotra eo amin’ny fangaraharana

0

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpisolo vava sisa velona nandritry ny fitsarana ny raharaha Ratsimandrava tamin’ny 1975, namboraka ny mampiavaka ity raharaham-pitsarana ity. Tamin’izany indrindra no nanambarany fa tsy mangarahara intsony, ary tsy manome fahafaham-po ny vahoaka hahafantatra ny tena marina ny fitsarana ankehitriny, raha oharina amin’ny teo aloha.